Misora-tena
ho hany tena vondrona kristiana marina misy eto amin’izao
tontolo izao ny fikambanan’ny VAVOLOMBELON’I JEHOVAH
(fantatra ihany koa amin’ny hoe Mpianatry ny Baiboly).
Manambara koa izy fa ny fiangonana hafa rehetra ankoatra
azy, na Katolika na Prostestanta, dia samy mampianatra
zavatra diso avokoa, ary haringan’Andriamanitra ireo rehetra
tsy Vavolombelon’i Jehovah. Ireo zava-misy hita anefa dia
mampiseho fa antokom-pivavahana manao fampianaran-diso ary
mamitaka ity fikambanana ity. Indreto misy antony efatra
tokony handosirana azy.
1. Mandā ireo fampianarana fototra
ao amin’ny Baiboly ny Vavolombelon’i Jehovah.
MANDĀ NY MAHA-ANDRIAMANITRA AN’I JESOSY KRISTY NY
FIKAMBANAN’NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH. Mampianatra kosa
izy etsy andanin’izany fa anjely noforonina i Jesosy Kristy.
Ny Baiboly anefa dia mampianatra mazava tsara ny
maha-Andriamanitra an’i Kristy Zanaka. Izao, ohatra, no
voalaza ao amin’ny Hebreo 1:8: "Fa ny Zanaka kosa dia
nilazany hoe: Ny seza fiandriananao Andriamanitra o, dia
mandrakizay doria …" Maro ny andininy hafa izay mampianatra
io ihany koa, tahaka ny Jaona 1:1, 14; 20:26-28; Asa 20:28;
Romana 9:5: Hebreo 1:3, 8-9; 2 Petera 1:1.
MANDĀ NY FITSANGANANA ARA-BATAN’I KRISTY TAMIN’NY MATY NY
VAVOLOMBELON’I JEHOVAH. Mampianatra kosa izy etsy
andanin’izany fa levona nanjary etona ny tenan’i Jesosy.
Izao no nampianarin’i Charles Taze Russel, ilay nanorina ny
fikambanana: "Maty ilay Lehilahy atao hoe Jesosy, ary maty
mandrakizay doria." ("The man Jesus is dead, forever dead."
— Studies in the Scriptures, Vol 5, 1899, p. 454).
Ny Baiboly anefa dia mampianatra mazava tsara fa natsangana
tamin’ny maty ho amin’ny fiainana indray ny tenan’i Jesosy.
Izao, ohatra, no voalaza ao amin’ny Lioka 24:39: "Izahao ny
tanako sy ny tongotro, fa Izaho no Izy; tsapao Aho, ka
jereo; fa ny matoatoa tsy mba manana nofo sy taolana, tahaka
izao ahitanareo Ahy izao." Jereo koa ny Jaona 2:19-21; Jaona
20:26-28; 1 Korintiana 15:6,14.
MANDĀ NY MAHA-ANDRIAMANITRA NY FANAHY MASINA NY
VAVOLOMBELON’I JEHOVAH. Mampianatra kosa izy fa ny
Fanahy Masina dia hery iray izay tsy manondro olona iray
manokana, fa toy ny herinaratra.
Ny Baiboly anefa dia mampianatra mazava tsara fa ny Fanahy
Masina dia Andriamanitra: Asa 5:3,4 "Ary hoy Petera: Ry
Ananiasy, nahoana Satana no nameno ny fonao handainga
amin’ny Fanahy Masina … Tsy nandainga tamin’olona ianao, fa
tamin’Andriamanitra." Jereo koa ny Jaona 14:16-17; 16:13-15;
Romana 8:26-27; 2 Korintiana 3:6,17-18; Efesiana 4:30.
MANDĀ NY MAHA-FANOMEZAN’ANDRIAMANITRA MAIMAIMPOANA NY
FAMONJENA, IZAY TSY AZO AVY AMIN’NY ASA NA FAHAMENDREHANA,
NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH. Mampianatra kosa izy etsy
andanin’izany fa tsy maintsy miditra ao amin’ny
Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah ary miasa ho azy ny
olona iray raha tsy te hiharan’ny fitsaran’Andriamanitra.
Ny Baiboly anefa dia mampianatra mazava tsara fa tsy mety ho
azo avy amin’ny asa ny famonjena, fa fanomezan’Andriamanitra
irery ihany. Efesiana 2:8-9 "Fa fahasoavana no namonjena
anareo amin’ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa
fanomezana avy amin’Andriamanitra, tsy avy amin’ny asa,
fandrao hisy hirehareha." Jereo koa ny Romana 4:1-4;
Galatiana 2:16; Titosy 3:5.
MANDĀ NY FAMAIZANA TSY MANAM-PAHATAPERANA HIHATRA AMIN’NY
RATSY FANAHY NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH. Mampianatra kosa
izy etsy andanin’izany fa haringana ny ratsy fanahy ka ho
foana ny fisiany.
Ny Baiboly anefa dia mampianatra mazava tsara ny amin’ny
famaizana tsy hanam-pahataperana izay hahazo ny ratsy
fanahy. Matio 25:41, 46: "Ary dia hilaza indray amin’izay eo
amin’ny ankaviany Izy hoe: Mialā Amiko ianareo izay voaozona
ho any amin’ny afo maharitra mandrakizay, izay voavoatra ho
an’ny devoly sy ny anjeliny .… Ary ireo dia hiala ho any
amin’ny fampijaliana mandrakizay; fa ny marina ho any
amin’ny fiainana mandrakizay." Jereo koa: Matio 18:8; 2
Tesaloniana 1:8-9; Apokalypsy 14:10, 11; 20:10, 15.
MANDĀ NY FANANAN’NY OLOMBELONA FANAHY IZAY HITOHY HIAINA
AORIAN’NY FAHAFATESANA NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH.
Mampianatra kosa izy etsy andanin’izany fa tapitra hatreo ny
fiainan’ny olona rehefa maty izy.
Ny Baiboly anefa dia mampianatra mazava tsara fa mitohy ny
fahaveloman’ny fanahin’ny olona, izay tsapany tsara,
aorian’ny fahafatesana. 2 Korintiana 5:8 "eny, matoky isika,
ka aleontsika ny tsy hitoetra ao amin’ny tena, fa ny
hitoetra ao amin’ny Tompo." Jereo koa: Lioka 16:19-31;
Filipiana 1:23-24; Apokalypsy 6:9-11.
MAMPIANATRA NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH FA NATAO HO AN’NY
OLOM-BOAFIDY VITSY IHANY NY FIAINANA MANDRAKIZAY EO
ANATREHAN’ANDRIAMANITRA. Araka ny fanambarany dia
sokajin’olona manokana ahitana Vavolombelon’i Jehovah miisa
144.000 ihany no afaka hateraka indray sy hiaina mandrakizay
miaraka amin’Andriamanitra any an-danitra; ireo
Vavolombelon’i Jehovah sisa kosa hijanona eto ambonin’ny
tany.
Ny Baiboly anefa dia mampianatra mazava tsara fa hanana
fiainana mandrakizay eo anatrehan’Andriamanitra daholo ireo
rehetra mametraka ny finoany amin’i Jesosy Kristy. Olona
betsaka tsy tambo isaina ireo, araka ny filazan’ny Baiboly.
Apokalypsy 7:9,15 "Rehefa afaka izany, indreo , nisy olona
betsaka tsy tambo isaina avy tamin’ny firenena rehetra sy ny
fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny
nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana sy teo
anatrehan’ny Zanak’ondry … mitoetra eo anoloan’ny seza
fiandrianan’Andriamanitra izy ka manompo Azy andro
aman’alina eo amin’ny tempoliny." Jereo koa: Jaona 3:15;
5:24; 12:26: Efesiana 2:19: Filipiana 3:20; Kolosiana 3:1;
Hebreo 3:1; 12:22; 2 Petera 1:10,11.
MANDĀ NY TOETRAN’ANDRIAMANITRA TELO-IZAY-IRAY (TRINITE)
NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH ARY MAMPIANATRA KOSA FA I SATANA
NO NAMORONA NY FAMPIANARANA MIKASIKA NY TRINITE. Laviny
daholo ireo Soratra Masina rehetra izay milaza ny
maha-Andriamanitra an’i Jesosy Kristy sy ny
maha-Andriamanitra ny Fanahy Masina.
Ny Baiboly anefa dia mampianatra mazava tsara fa ny Zanaka,
sy ny Fanahy Masina, ary ny Ray dia samy Andriamanitra
avokoa. Io filazana io, miaraka amin’ireo andinin-tSoratra
Masina izay mampianatra fa tsy misy Andriamanitra afa-tsy
iray ihany (Isaia 43:10; 44:6,8), mbamin’ny Matio 28:19 izay
iresahan’i Jesosy ny amin’ny anaran’ny Ray, sy ny Zanaka,
ary ny Fanahy Masina ("singulier," izany hoe, manondro olona
tokana ihany ny hoe "anarana" eto) dia mampiseho ny
maha-Trinite an’Andriamanitra avokoa: Andriamanitra iray
izay ahitana Persona telo.
Koa tsy mampidi-doza ve ny manaraka fikambanana izay
mandā ireo fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly tahaka
izany?
2. Novain’ny Vavolombelon’i Jehovah
ny Baiboly.
Efa nanamboatra dikan-tenin’ny Baiboly sandoka ho an’ny
tenany ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah. "La
Traduction du Nouveau Monde" no iantsoana io dikan-teny iray
io. Misy andinin-tSoratra Masina maro niniana novaina ao
anatiny. Ireny fanovana ireny dia natao hanaronana ny
maha-fampianaran-diso sy tsy araka ny Baiboly ny
fampianaran’ny Vavolombelon’i Jehovah.
|
FAMPITAHANA NY
BAIBOLY & "LA TRADUCTION DU NOUVEAU MONDE" MIFONO FITAKA (Nadika avy amin’ny teny Anglisy) |
|
| NY BAIBOLY MASINA | "LA TRADUCTION DU NOUVEAU MONDE" |
|
Jaona 1:1 "Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny
tao amin’Andriamanitra, ary ny Teny dia
Andriamanitra." Io dia fanambarana mazava tsara ny maha-Andriamanitra an’i Jesosy (ny Teny). |
Jaona 1:1 "Tamin’ny voalohany dia teo ny Teny, ary
ny Teny tao amin’Andriamanitra, ary ny Teny dia
andriamanitra iray." Natao io fanovana io mba hanohanan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fandavany ny maha-Andriamanitra an’i Jesosy. |
|
Kolosiana 1:16 "Fa tao Aminy no nahariana ny zavatra
rehetra … Izy no nahariana ny zavatra rehetra, sady
ho Azy izany." Io dia mampianatra fa Jesosy no Mpamorona ny zava-drehetra, ary tsy noforonina Izy. |
Kolosiana 1:16 "satria tamin’ny alalany no nahariana
ny zavatra (hafa) rehetra … Nohariana tamin’ny
alalany ny zavatra (hafa) rehetra, ary ho Azy." Nampiana ilay teny hoe "hafa," izay nanjary nandiso ny tena heviny, mba hanohanana ilay fampianaran-dison’ny Vavolombelon’i Jehovah milaza fa anjely noforonina iJesosy. |
|
Hebreo 1:8 "Fa ny Zanaka kosa dia nilazany hoe: Ny
seza fiandriananao Andriamanitra ô, dia mandrakizay
doria." Mariho ny fiantsoan ’Andriamanitra Ray an’i Jesosy Zanaka eto hoe "Andriamanitra." |
Hebreo 1:8 "Fa ny firesahany ny amin’ny Zanaka kosa
dia manao hoe: Andriamanitra no seza fiandriananao
mandrakizay doria." Nampifamadihan’ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny toeran’ny teny hany ka nanjary lasa diso ny heviny, mba hanafenana fa antsoina hoe Andriamanitra i Jesosy (Zanaka). |
Moa tsy mampidi-doza ve ny manaraka fikambanana izay manova ny Soratra Masina toy izany?
3. Nanao faminaniana tsy tanteraka voarakitra ara-Tantara ny Vavolombelon’i Jehovah.
Milaza ho mitatitra ny hafatr’i Jehovah Andriamanitra ireo mpitarika ny Vavolombelon’i Jehovah kanefa maro ny faminaniana nataony no tsy tanteraka akory. Toy izany, ohatra, ny nilazan’izy ireo fa ho tonga tamin’ny taona 1975 ny Hara-magedona sy ny faran’izao tontolo izao. Mba hanaronana ny tsy fahombiazany dia lavin’ny ankamaroan’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao fotoana izao fa nanao io faminaniana io ry zareo, na dia azo porofoina mora foana amin’ireo boky aman-gazety navoakan’izy ireo ihany aza izany.1
Araka ny faminanian’ny Vavolombelon’i Jehovah ihany koa dia ho tonga tamin’ny taona 1914, 1915, 1918, 1925 ary 1942 ny faran’izao tontolo izao. Nolazainy fa hitsangana amin’ny maty i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, ka hiverina eto ambonin’ny tany tamin’ny taona 1925. Diso hatrany hatrany anefa izy ireo.2 Ambaran’ny Baiboly fa mariky ny mpaminany sandoka ny faminaniana tsy efa, na tsy tanteraka (Deotoronomia 18:21-22).
Moa tsy mampidi-doza ve ny manaraka fikambanana izay nanao faminaniana tsy tanteraka toy izany?
4. Manampatra ny fahefana ananany ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
Na dia eo aza izany tsy fahatanterahan’ny faminaniana maro izany dia mbola mampianatra ihany ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah fa izy irery no hany fivavahana marina, ary ny mpikambana ao aminy ihany no tena kristiana marina. Manambara izy fa tsy misy afaka mampianatra ny fahamarinana ara-panahy afa-tsy ry zareo irery. Mampianatra ihany koa izy fa tsy misy famonjena afa-tsy amin’ny alalan’ny fidirana ho mpikambana ao aminy, ary ny olona sisa rehetra dia haringana avokoa amin’ny Hara-magedona.
Mitaky ny mpikambana rehetra ao aminy ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah hankatō, tsy misy fametrahana fanontaniana, izay rehetra didy sy fandikana ny hevitry ny Baiboly atolotry ny Fikambanana.
Ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ohatra, dia mandrara ny fanomezan-dra. Aleo ny mpikambana isam-batan’olona no maty, na mamela ny zanany ho faty, toy izay handika io didy io, na dia tsy hita na aiza na aiza ao amin’ny Soratra Masina aza ny fampianarana milaza fa diso ny fanomezan-dra. Lazaina amin’izay Vavolombelon’i Jehovah tsy mankatō io fitsipika io fa haringana izy amin’ny Aramagedona, na ny fotoanan’ny fitsarana farany.
Araka izany dia ny tahotra sy ny fampitahorana no ampiasain’ny mpitarika mba hihazonana ireo mpikambana amin’ny fankatoavana ny Fikambanana. Nampiasan’ireo mpitarika ny Vavolombelon’i Jehovah ihany koa ny faminaniana ny amin’ny faran’izao tontolo izao mba hampiditra tahotra ao am-pon’ireo mpanaraka azy.
Moa tsy mampidi-doza ve ny manaraka fikambanana izay mampiasa ny fahefany amin’ny fomba diso tahaka izany?
Ireo zavatra efatra ireo dia maneho ny loza ara-panahy
mifamatotra amin’ny fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
Mety hanontany tena angamba ianao hoe: "Fa inona āry ny
vaovao mahafaly izay lazain’ny Baiboly?" Ireto zavatra
efatra manaraka ireto dia mampahafantatra ny tena
Filazantsara marin’i Jesosy Kristy, araka ny hita ao amin’ny
Baiboly:
NY FOMBA HIHAVANANA AMIN’ANDRIAMANITRA
Azo fintinina amin’ireto foto-kevitra tsotra efatra ireto ny
hafatry ny Baiboly:
1. Tafasaraka tamin’Ilay Andriamanitra velona sady marina
isika noho ny fahotantsika.
"Fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra
avy amin’Andriamanitra." Romana 3:23
"Fa fahafatesana no tambin’ny ota, ary fiainana mandrakizay
no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra ao amin’i
Kristy Jesosy Tompontsika." Romana 6:23
2. Tsy afaka mamonjy tena isika.
"Tsy misy nofo hohamarinina amin’ny asan’ny lalāna eo
anatrehany; fa ny lalāna no ahazoana ny fahalalana marina ny
amin’ny ota." Romana 3:20
"Tsy avy tamin’ny asa amin’ny fahamarinana izay nataontsika,
fa araka ny famindrampo kosa no namonjeny antsika." Titosy
3:5
3. Jesosy Kristy no fanafody nomen’Andriamanitra ho an’ny
aretin’ny fahotantsika.
"Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao:
nomeny ny Zanany Lahitokana mba tsy ho very izay rehetra
mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay." Jaona 3:16
"Fa Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny
Marina hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho
amin’Andriamanitra." 1 Petera 3:18a
4. Isika tsirairay no tsy maintsy mandray an’i Jesosy
amin’ny finoana mba handraisana ny famelan-keloka sy ny
fiainana mandrakizay.
"Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga
zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany." Jaona 1:12
"… raha manaiky an’i Jesosy ho Tompo amin’ny vavanao ianao,
ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy
tamin’ny maty dia hovonjena ianao." Romana 10:9
Raha nanohina ny fonao ireo fahamarinana avy amin’ny
Tenin’Andriamanitra ireo dia afaka manome setriny avy
hatrany ianao ka hangataka Azy hamela ny fahotanao sy hanome
anao ny fiainam-baovao ao amin’i Kristy. Ity vavaka tsotra
ity dia azonao ampiasaina ho tari-dalana amin’ny
fanambaranao ny finoanao an’i Kristy ho famonjena anao.
VAVAKA
Ry Andriamanitra Tsitoha sy Mpamindra fo ô, miaiky aho
fa nanota Taminao, na tamin’ny asa, na tamin’ny teny, na
tamin’ny eritreritra. Tsy nahatratra ny fahamarinanao aho,
ary tsy afaka mamonjy tena. Misaotra Anao aho noho ny
nanirahanao an’i Jesosy Kristy Zanakao, mba handatsaka ny
rany ho ahy. Mangataka Anao aho hamela ny fahotako rehetra,
ary mametraka ny fitokiako amin’i Jesosy Kristy, Izay efa
maty teo amin’ny toerako, ary nitsangana indray tamin’ny
maty. Amena.
FANAMARIHANA
1 The Watchtower, August 15, 1968, page 499; Kingdom Ministry, May 1974, p. 3.
2 The Time Is At Hand,
1906 edition, pp. 99, 101; The Time Is At Hand, 1915 edition, pp. 99,
101;
Pastor Russell's Sermons, 1917 edition, p. 676; The Finished Mystery,
1918, pp. 404, 485; The Watchtower, September 1, 1922, p. 262; The
Watchtower, September 15, 1941, p. 288; Millions Now Living Will Never
Die, 1920, pp. 88-90.

